18 Fa ny heloko no hambarako; matahotra aho noho ny fahotako.
19 Fa ny fahavaloko velona ihany sady mahery; ary maro no mandrafy ahy tsy ahoan-tsy ahoana;
20 Ary mamaly ratsy ny soa izy ireo ka mandrafy ahy ho valin'ny fanarahako ny tsara.
21 Aza mahafoy ahy,Jehovah ô; Ry Andriamanitro ô, aza manalavitra ahy.
22 Faingàna hamonjy ahy, ry Tompo, Mpamonjy ahy ô.