1 Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida. Sambatra izay mahatsiaro ny malahelo; Jehovah hamonjy azy amin'ny andro fahoriana.
2 Jehovah hitandrina sy hiaro azy tsy ho faty; hatao ho sambatra ambonin'ny tany izy, ary tsy mba hatolotrao amin'ny sitrapon'ny fahavalony.
3 Jehovah hanohana azy eo ambonin'ny farafara hitsaboana azy. Ny fandriany rehetra eo am-paharariany dia hovanao.
4 Hoy izaho: Jehovah ô, mamindrà fo amiko; sitrano ny fanahiko, fa efa nanota taminao aho.