4 Hanongilana ny sofiko hihaino oha-teny aho, ary hanonona teny saro-pantarina ampiarahiko amin-dokanga.
5 Nahoana no hatahotra amin'ny andro fahoriana aho, nony manodidina ahy ny haratsian'ny mpamingana ahy,
6 Dia izay matoky ny hareny, Sy mirehareha amin'ny haben'ny fananany?
7 Tsy misy mahavotra ny rahalahiny akory, na mahazo manome an'Andriamanitra izay avony,
8 (Fa sarotra avotra ny ainy ka tsy azo atao mandrakizay),
9 Mba ho velona mandrakizay izy, ka tsy ho latsaka ao amin'ny lavaka.
10 Fa hita fa maty ihany ny olon-kendry; ary ny adala sy ny ketrina samy levona, ka mamela ny fananany ho an'ny hafa.