1 Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida, fony Natana mpaminany nankao aminy rehefa naka an'i Batseba izy. Mamindrà fo amiko, Andriamanitra ô, araka ny fahasoavanao; araka ny haben'ny fiantranao vonoy ny fahadisoako.
2 Sasao madio aho mba ho afa-keloka, ary diovy aho mba ho afa-pahotana.
3 Fa tsaroako ny fahadisoako, ary eo anatrehako mandrakariva ny fahotako.
4 Taminao dia taminao ihany no nanotako, ary izay ratsy eo imasonao no efa nataoko, mba ho marina Hianao, raha miteny, ary tsy hanan-tsiny Hianao, raha mitsara.
5 Indro, tamin'ny heloka no niterahana ahy, ary tamin'ny fahotana no torontoronina ahy ny reniko.
6 Indro, fahamarinana ao am-po no sitrakao; ary fahendrena ao amin'ny miafina no ampahafantarinao ahy.