1 Ho an'ny mpiventy hira. Hampiarahina amin'ny valiha. Maskila nataon'i Davida. Mihainoa ny fivavako, Andriamanitra ô, ary aza miery amin'ny fitarainako.
2 Henoy aho, ka valio; miriorio ny eritreritro, ka mitoloko aho,
3 Noho ny feon'ny fahavalo sy ny fampahorian'ny ratsy fanahy; fa mampianjera loza amiko ireny, ary amin'ny fahatezerana no ankahalany ahy.
4 Mangorohoro ato anatiko ny foko, ary mamely ahy ny tahotra ny fahafatesana.
5 Tahotra sy hovitra no mahazo ahy, ary manafotra ahy ny horohoro.
6 Ka hoy izaho: enga anie ka manana elatra tahaka ny voromailala aho, dia handositra aho ka hahita izay hitoerako;
7 Eny, handositra lavitra aho ka hitoetra any an-efitra.