1 Ho an'ny mpiventy hira. Al-tasheth. Miktama nataon'i Davida, fony Saoly naniraka, ka nisy niambina ny trano hamonoana azy. Afaho amin'ny fahavaloko aho, Andriamanitro ô; asondroty eo amin'ny avo aho tsy ho azon'izay miodina amiko.
2 Afaho amin'ny mpanao ratsy aho, ary vonjeo amin'ny mpandatsa-drà.
3 Fa, indro, manotrika hahazo ny aiko izy; miangona hanohitra ahy ny mahery, nefa tsy fahadisoako ary tsy fahotako, Jehovah ô.
4 Tsy heloko no ihazakazahany sy iomanany, koa mifohaza hitsena ahy, ka jereo.