3 Fa, indro, manotrika hahazo ny aiko izy; miangona hanohitra ahy ny mahery, nefa tsy fahadisoako ary tsy fahotako, Jehovah ô.
4 Tsy heloko no ihazakazahany sy iomanany, koa mifohaza hitsena ahy, ka jereo.
5 Ary Hianao, Jehovah ô, Andriamanitry ny maro, Andriamanitry ny Isiraely, mifohaza hitsara ny firenen-tsamy hafa; aza mamindra fo amin'izay mpivadika ratsy fanahy.
6 Miverina nony hariva ireny ka mierona tahaka ny alika, sady mandehandeha eran'ny tanàna.
7 Indro, mirezadrezatra amin'ny vavany izy; sabatra no eo amin'ny molony, fa iza, hono, no handre?
8 Kanjo Hianao, Jehovah ô, hihomehy azy; Hianao haneso ny firenena rehetra.
9 Koa noho ny herin'ireny dia hiandry Anao aho; fa Andriamanitra no fiarovana avo ho ahy.