4 Toy izany no hisaorako Anao, raha mbola velona koa aho; amin'ny anaranao no hanandratako ny tanako.
5 Toy ny voky tsoka sy tavy no hahavokisan'ny fanahiko; ary amin'ny molotra falifaly no hideran'ny vavako Anao.
6 Raha mahatsiaro Anao eo am-pandriako aho, dia mieritreritra Anao amin'ny fiambenan'alina.
7 Fa efa namonjy ahy Hianao, ary ao ambanin'ny aloky ny elatrao no hihobiako.
8 Mifikitra amiko ny fanahiko; manohana ahy ny tananao ankavanana.
9 Fa ireny dia mitady ny aiko ka mampidi-doza amin'ny tenany; hiditra any ambanin'ny tany izy;
10 Hatolotra ho amin'ny herin'ny sabatra izy; ho anjaran'ny amboahaolo izy.