1 Ho an'ny mpiventy hira. Al-shoshanim. Nataon'i Davida. Vonjeo aho, Andriamanitra ô; fa efa mihatra amin'ny aiko ny rano.
2 Milentika amin'ny fotaka mandrevo aho, ka tsy misy hifaharana; efa miditra amin'ny rano lalina aho, ka mandifotra ahy ny riaka.
3 Sasatry ny mitaraina aho, maimay ny tendako; pahina ny masoko, raha miandry an'Andriamanitro aho.
4 Maro noho ny volon-dohako ny isan'izay mankahala ahy tsy ahoan-tsy ahoana; mahery izay ta-hahafaty ahy, dia ny fahavaloko tsy ahoan-tsy ahoana; mampanonitra ahy izay tsy nalaiko izy.