1 Sigaiona nataon'i Davida, izay nohirainy ho an'i Jehovah noho ny tenin'i Kosy Benjamita. Jehovah Andriamanitro ô, Hianao no ialofako; vonjeo aho amin'izay rehetra manenjika ahy, ka afaho;
2 Fandrao ny fanahiko viravirainy tahaka ny fanaon'ny liona, ary kepokepohiny, ka tsy misy mamonjy.
3 Jehovah Andriamanitro ô, raha nanao izany aho; raha misy heloka eto an-tanako;
4 Raha namaly ratsy izay tsara fihavanana tamiko aho, novonjeko aza izay nampahory ahy tsy ahoan-tsy ahoana