1 Nataon'i Solomona. Andriamanitra ô, omeo ho an'ny mpanjaka ny fitsarànao,ary ho an'ny zanaky ny mpanjaka ny fahamarinanao.
2 Hitsara ny olonao amin'ny fahamarinana izy. Ary ny malahelolonao amin'ny fahitsiana.
3 Ny tendrombohitra hahavokatra fiadanana ho an'ny olona, eny, ny havoana koa amin'ny fahamarinana.
4 Hitsara2 ny olona ory izy sy hamonjy ny zanaky ny mahantra ary hanorotoro ny mpampahory.