1 Salamo nataon'i Asafa. Andriamanitra mahasoa ny Isiraely tokoa, dia ny madio fo.
2 Fa izaho, dia saiky nibolasitra ny tongotro; saiky solafaka ny diako,
3 Satria nialona ny mpirehareha aho, raha nahita ny fiadanan'ny ratsy fanahy.
4 Fa tsy misy fanaintainana amin'ny fahafatesany, ary fatratra ny heriny.
5 Tsy mba misy manavesatra azy, tahaka ny olona sasany, ary tsy mba azom-pahoriana tahaka ny olon-kafa izy.