1 Maskila nataon'i Asafa. Andriamanitra ô, nahoana no nanary anay mandrakizay Hianao, sady manetroka amin'ny ondry fiandrinao ny fahatezeranao?
2 Tsarovy ny fiangonanao izay efa azonao fahiny, ilay navotanao ho firenena lovanao, dia ny tendrom-bohitra Ziona izay nonenanao.
3 Aingao ny tongotrao, ka miakara ho amin'ny voarava mandrakizay; ny zavatra rehetra tao amin'ny fitoerana masina dia simban'ny fahavalo avokoa.
4 Nierona tao anatin'ny fiangonanao ny mpandrafy anao; nanangana ny sainany ho famantarana izy.