1 Tonon-kira. Salamo nataon'i Asafa. Andriamanitra ô, aza mangina; aza mihombom-bava Hianao, ary aza mamitsaka, Andriamanitra ô.
2 Fa, indro, mitabataba ny fahavalonao; ary izay mankahala Anao dia manandratra ny lohany.
3 Ny olonao no iokoany amin'ny hafetsena; ary miara-misaina hamely izay voafinao izy.
4 Hoy izy: Avia, ka andeha hofongorantsika tsy ho firenena izy, mba tsy hotsarovana intsony ny anaran'Isiraely.
5 Fa efa niray tetika tokoa ireo, ka nanao fanekena hanohitra Anao,
6 Dia ny lain'ny Edomita sy ny Isimaelita, ny Moabita sy ny Hagarita,
7 Ny Gebalita sy ny Amonita ary ny Amalekita, ny Filistina mbamin'ny mponina any Tyro.