20 Efa nahita an'i Davida mpanompoko Aho; Ny diloiloko masina no nanosorako azy;
21 Izy no homban'ny tanako; Eny, ny sandriko no hampahery azy.
22 Tsy hamitaka azy ny fahavalo; Ary tsy hampahory azy ny ratsy fanahy.
23 Fa handripaka ny fahavalony eo anoloan'ny tavany Aho Sady hamely izay mankahala azy.
24 Ny fahamarinako sy ny famindram-poko homba azy; Ary ny anarako no hisandratan'ny tandrony.
25 Dia hampitoetra ny tànany amin'ny ranomasina Aho Ary ny tànany ankavanana amin'ny ony.
26 Izy hiantso Ahy hoe: Raiko Hianao, Andriamanitro sy Vatolampin'ny famonjena ahy.