44 Efa nampitsahatra ny voninahiny Hianao Ka nanongana ny seza fiandrianany ho amin'ny tany.
45 Efa nahafohy ny andron'ny fahatanorany Hianao Ary efa nanaron-kenatra azy.
46 Mandra-pahoviana, Jehovah ô? Hiery mandrakizay va Hianao? Mirehitra tahaka ny afo va ny fahatezeranao?
47 Tsarovy ny hafohin'ny androko; Toa zava-poana mihitsy ny namoronanao ny zanak'olombelona rehetra!
48 Iza no olona ho velona tsy hahita fahafatesana, Fa hamonjy ny fanahiny tsy ho azon'ny tanan'ny fiainan-tsi-hita?
49 Tompo ô, aiza ny famindram-ponao fahiny, Izay nianiananao tamin'i Davida tamin'ny fahamarinanao?
50 Tompo ô, tsarovy ny latsa manjo ny mpanomponao, Ny tratrako vesaran'ny firenena rehetra,