1 Ny mitoetra ao amin'ny fierena izay an'ny Avo Indrindra Dia monina eo ambanin'ny aloky ny Tsitoha.
2 Izaho hilaza an'i Jehovah hoe: Fialofako sy batery fiarovana ho ahy Izy Ary Andriamanitro, Izay hitokiako.
3 Fa Izy no hanafaka anao amin'ny fandriky ny mpihaza sy ny areti-mandoza.
4 Ny volon'elany no anaronany anao, Ary ao ambanin'ny elany no hialofanao; Ho ampinga kely sy ampinga lehibe ny fahamarinany.
5 Tsy hatahotra ny horohoro nony alina ianao, Na ny zana-tsipìka manidina nony andro,