1 Salamo. Tonon-kira hatao amin'ny andro Sabata. Tsara ny hidera an'i Jehovah Sy ny hankalaza ny anaranao, ry Avo Indrindra ô,
2 Ary hanambara ny famindram-ponao nony maraina Sy ny fahamarinanao nony alina,
3 Amin'ny valiha tory folo Sy amin'ny feon-dokanga.
4 Fa ampifalinao amin'ny nataonao aho Jehovah ô; Ny asan'ny tananao no hihobiako.