1 Jehovah no Mpanjaka aoka hangovitra ny firenena; Mipetraka amin'ny kerobima Izy, aoka hihorohoro ny tany.
2 Lehibe any Ziona Jehovah; Ary avo ambonin'ny firenena rehetra Izy.
3 Aoka hidera ny anaranao lehibe sy mahatahotra ireo; Fa masina Jehovah.
4 Ny herin'ny mpanjaka dia tia rariny; Ampitoerinao ny fahitsiana; Fitsarana sy fahamarinana no ataonao eo amin'i Jakoba.