2 Ary nahare feo avy tany an-danitra aho, tahaka ny firohondrohon'ny rano be sy tahaka ny fikotroky ny kotrokorana mafy; ary ny feo izay reko dia tahaka ny an'ny mpitendry lokanga mitendry ny lokangany.
3 Ary mihira toa tonon-kira vaovao eo anoloan'ny seza fiandrianana sy eo anatrehan'ny zava-manan'aina efatra sy ny loholona izy; ary tsy nisy nahay nianatra izany fihirana izany, afa-tsy ny efatra arivo amby efatra alina sy iray hetsy izay navotana niala tamin'ny tany.
4 Ireo no tsy voaloto tamin'ny vehivavy, fa virijina izy. Ireo no manaraka ny Zanak'ondry na aiza na aiza no alehany. lreo no navotana avy tamin'ny olona ho voaloham-bokatra ho an'Andriamanitra sy ny Zanak'ondry.
5 Ary tsy nisy lainga hita teo am-bavany, sady tsy manan-tsiny izy.
6 Ary hitako fa, indro, nisy anjely iray koa nanidina teo afovoan'ny lanitra, nanana filazantsara mandrakizay hotorina amin'izay monina ambonin'ny tany sy amin'ny firenena sy ny fokom-pirenena sy ny samy hafa fiteny ary ny olona rehetra,
7 nanao tamin'ny feo mahery hoe: Matahora an'Andriamanitra, ka omeo voninahitra Izy; fa tonga ny andro fitsarany; ary miankohofa eo anoloan'izay nanao ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina ary ny loharano.
8 Ary nisy iray koa, dia anjely faharoa, nanaraka ka nanao hoe: Rava! rava Babylona lehibe! izay nampisotro ny firenena rehetra ny divain'ny fahatezerana noho ny fijangajangany.