21 Ary rehefa ren'i Hadada tany Egypta fa Davida lasa nody mandry any amin'ny razany, sady maty koa Joaba, komandin'ny miaramila, dia hoy izy tamin'i Farao: Alefaso aho hody any amin'ny tanin-drazako.
22 Fa hoy Farao taminy: Fa inona moa no zavatra mahory anao atỳ amiko, no dia mitady hody any amin'ny tanin-drazanao indray ianao? Ary hoy ny navaliny: Tsy misy mahory ahy tsy akory; nefa alefaso ihany aho.
23 Ary Andriamanitra nanangana fahavalo koa hanohitra an'i Solomona, dia Rezona, zanak'i Eliada, izay efa nandositra an'i Hadadezera tompony, mpanjakan'i Zoba.
24 Dia namory olona maro ho ao aminy izy ka tonga kapiteniny tamin'ny namonoan'i Davida ny olona tany Zoba; ary nankany Damaskosy izy sy ny namany ka nitoetra sy nanjaka tao.
25 Ary izy koa dia fahavalon'ny Isiraely tamin'ny andron'i Solomona rehetra ka nanampy ny ratsy izay nataon'i Hadada; eny, nankahala ny Isiraely izy ary nanjaka tany Syria.
26 Ary Jerobeama, zanak'i Nebata, Efraimita avy any Zareda, mpanompon'i Solomona (Zeroa no anaran-dreniny, vehivavy mpitondratena), dia nanainga tanàna hikomy tamin'ny mpanjaka.
27 Ary izao no fototry ny nanaingany tanàna hikomy tamin'ny mpanjaka: Solomona nanorina an'i Milo ary nanampina ny lohasaha tao an-Tanànan'i Davida rainy;