8 Dia niainga ireo lehilahy ireo ka nandeha; ary Josoa nandidy izay nandeha hanoratra ny tany ka nanao hoe: Mandehana nitety ny tany, ka soraty izy, dia miverena atỳ amiko, ka eto Silo no hanaovako filokana ho anareo eo anatrehan'i Jehovah.
9 Dia lasa ireo lehilahy ireo ka nandeha nitety ny tany, dia nanoratra azy tamin'ny taratasy, ka nataony fito toko, araka ny tanàna, ary dia tafaverina tany amin'i Josoa tao an-toby tao Silo izy.
10 Ary Josoa dia nanao filokana ho azy tao Silo teo anatrehan'i Jehovah; ary tao no nizaran'i Josoa ny tany ho an'ny Zanak'Isiraely araka ny fizarany.
11 Dia nahazo ny loka ny firenena taranak'i Benjamina isam-pokony; ary ny faritry ny tany azony dia teo anelanelan'ny taranak'i Joda sy ny taranak'i Josefa.
12 Ary ny fari-taniny amin'ny lafiny avaratra dia hatrany Jordana ka niakatra hatramin'ny ilan'i Jeriko amin'ny avaratra, dia niakatra niankandrefana nahazo ny tany havoana, ka dia nihatra tamin'ny efitr'i Betavena,
13 hatreo dia nandroso hatrany Lozy, hatramin'ny ilany atsimon'i Lozy (Betela izany), dia nidina hatrany Atarot-adara ao amin'ny tendrombohitra atsimon'i Beti-horona ambany,
14 dia niolaka tamin'ny lafiny andrefana ka nianatsimo hatramin'ny tendrombohitra izay eo anoloan'i Beti-horona eo atsimo, ka dia nihatra any Kiriata-bala (Kiriata-jearima izany), tanànan'ny taranak'i Joda; izany no lafiny andrefana.