1 Miderà an'i Jehovah, fa tsara Izy; Eny, mandrakizay ny famindram-pony.
2 Aoka ny Isiraely hanao hoe: Mandrakizay ny famindram-pony.
3 Aoka ny taranak'i Arona hanao hoe: Mandrakizay ny famindram-pony.
4 Aoka izay matahotra an'i Jehovah hanao hoe: Mandrakizay ny famindram-pony.
5 Tao an-katerena no niantsoako an'i Jehovah; Dia namaly ahy Jehovah ka nampahalalaka ahy.
6 Jehovah no miandany amiko, ka tsy hatahotra aho. Inona no azon'ny olona atao amiko?
7 Jehovah no miandany amiko, sady mamonjy ahy; Ary izaho ho faly hahita ny amin'izay mankahala ahy.