116 Tohàny aho araka ny teninao, mba ho velona, Ary aoka tsy ho menatra amin'ny fanantenako aho.
117 Tohàny aho mba ho voavonjy, Ka ho faly hijery ny didinao mandrakariva.
118 Ataonao tsinontsinona izay rehetra mania amin'ny didinao; Fa famitahan-tena ihany ny laingany.
119 Efa nataonao fanary tain-drendrika ny ratsy fanahy rehetra amin'ny tany; Izany no itiavako ny teni-vavolombelonao.
120 Mipararetra ny nofoko ny fahatahorana Anao, Ary matahotra ny fitsaranao aho.
121 Manaraka ny fitsipika sy ny fahamarinana aho; Aza manolotra ahy ho amin'ny mpampahory ahy.
122 Iantohy mba ho soa ny mpanomponao; Aza avela hampahory ahy ny mpirehareha.