128 Izany no iheverako ny didy rehetra ho marina avokoa; Halako ny lalam-pitaka rehetra;
129 Mahagaga ny teni-vavolombelonao, Ka dia mitandrina azy ny fanahiko.
130 Mahazava ny famoahana ny hevitry ny teninao Ka manome fahalalana ho an'ny kely saina.
131 Mitanatana vava aho ka mihanahana, Fa ny didinao no iriko.
132 Todiho aho, ka mamindrà fo amiko, Araka ny tokony ho anjaran'izay tia ny anaranao.
133 Ampitoero eo amin'ny teninao ny diako; Ary aza avela hanapaka ahy izay mety ho faharatsiana.
134 Vonjeo amin'ny fampahorian'ny olona Dia hitandrina ny didinao.