155 Lavitra ny ratsy fanahy ny famonjena, Satria ny didinao tsy tadiaviny.
156 Lehibe ny antranao, Jehovah ô; Velomy aho araka ny fitsipikao.
157 Maro ny mpanenjika sy mpandrafy ahy; Tsy mba niala tamin'ny teni-vavolombelonao aho.
158 Mijery ny mpivadika aho, ka maharikoriko ahy ireny, Dia izay tsy nitandrina ny teninao.
159 He ny fitiavako ny didinao! Jehovah ô, velomy aho araka ny famindram-ponao.
160 Fahamarinana no tontalin-kevitry ny teninao; Ary mandrakizay ny fitsipikao marina rehetra.
161 Na dia ny mpanapaka aza dia nanenjika ahy tsy ahoan-tsy ahoana; Nefa ny teninao no atahoran'ny foko.