17 Asio soa aho mpanomponao, mba ho velona Ka hitandrina ny teninao.
18 Ampahirato ny masoko, mba hahitako Zava-mahagaga ao amin'ny lalànao.
19 Vahiny etỳ an-tany aho; Aza afeninao ahy ny didinao.
20 Torotoro ny fanahiko noho ny faniriany Ny fitsipikao mandrakariva.
21 Voateninao mafy ny mpirehareha, dia ny olom-boaozona, Izay mania miala amin'ny didinao.
22 Esory amiko ny fahafaham-baraka sy ny fanamavoana: Fa efa nitandrina ny teni-vavolombelonao aho.
23 Na dia ny mpanapaka aza dia mipetraka, ka iokoany aho; Izaho mpanomponao misaintsaina ny didinao.