22 Esory amiko ny fahafaham-baraka sy ny fanamavoana: Fa efa nitandrina ny teni-vavolombelonao aho.
23 Na dia ny mpanapaka aza dia mipetraka, ka iokoany aho; Izaho mpanomponao misaintsaina ny didinao.
24 Ny teni-vavolombelonao koa no firavoravoako, Eny, mpanolo-tsaina ahy izany.
25 Miraikitra amin'ny vovoka ny fanahiko; Velomy aho araka ny teninao.
26 Ny lalako no nolazaiko, ary namaly ahy Hianao: Ampianaro ahy ny didinao.
27 Ampahalalao ahy ny lalan'ny didinao; Dia hoheveriko ny fahagagana nataonao.
28 Mipotrapotra-dranomaso aho noho ny alaheloko; Ampaherezo aho araka ny teninao.