1 Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida. Jehovah ô, vonjeo amin'ny olon-dratsy aho, Ary arovy amin'ny olon-dozabe,
2 Izay mihevitra ratsy ao am-pony Ka manangana ady isan'andro
3 Mandranitra ny lelany tahaka ny bibilava izy, Ny poizin'ny menarana no ao ambanin'ny molony.
4 Jehovah ô, vonjeo amin'ny tanan'ny ratsy fanahy aho, Ary arovy amin'ny olon-dozabe, Izay efa nihevitra handronjina ahy ho potraka.