1 Salamo nataon'i Davida. Jehovah ô, henoy ny fivavako, ary atongilano amin'ny fifonako ny sofinao; Valio aho araka ny teninao marina sy ny fahamarinanao.
2 Ary aza dia mifandahatra amin'ny mpanomponao eo am-pitsarana; Fa tsy misy olombelona ho marina eo anatrehanao.
3 Fa nanenjika ny fanahiko ny fahavalo; Namely ny aiko ho lavo tamin'ny tany izy: Nampitoeriny tao amin'ny maizina aho, toy izay efa maty ela.
4 Dia reraka ny fanahiko ato anatiko; Fadiranovana ny foko ato anatiko.
5 Mahatsiaro ny andro fahiny ho Ary misaina ny asanao rehetra; Ny asan'ny tananao no eritreretiko.