1 Salamo nataon'i Davida. An'i Jehovah ny tany sy izay rehetra eo aminy. Izao rehetra izao sy ny mponina eo aminy.
2 Fa Izy no nanorina azy tambonin'ny ranomasina. Tambonin'ny rano no nampitoerany azy.
3 Iza no hiakatra any an-tendrombohitr'i Jehovah? ary iza no hitoetra ao amin'ny fitoerany masina?
4 Izay madio tanana sy mahitsy fo, izay tsy manandratra ny fanahiny ho amin'ny lainga, na mianiana hamitaka.
5 Handray fitahiana avy amin'i Jehovah izy, ary fahamarinana avy amin'Andriamanitry ny famonjena azy.
6 Izany no taranaka mitady Azy, izay mitady ny tavanao, dia Jakoba.