1 Salamo. Fihirana tamin'ny nitokanana ny trano. Nataon'i Davida. Hanandratra Anao aho, Jehovah ô; fa nanintona ahy niakatra Hianao, ka tsy nataonao ho fifalian'ny fahavaloko aho.
2 Jehovah Andriamanitro ô, nitaraina taminao aho, dia nahasitrana ahy Hianao.
3 Jehovah ô, efa nampakatra ny fanahiko avy tany amin'ny fiainan-tsi-hita Hianao; efa nampody ny aiko Hianao, mba tsy ho isan'izay midina any an-davaka aho.
4 Mankalazà an'i Jehovah, ry olony masina, ka miderà ny anarany masina.