12 Efa hadino tahaka ny olona maty izay tsy tsaroana intsony aho; tahaka ny vilany ariana aho.
13 Fa mandre ny endrikendriky ny maro aho; misy fampangorohoroana manodidina, raha miara-mioko hamely ahy izy, ka miray tetika hahafaty ny aiko.
14 Nefa izaho matoky Anao, Jehovah ô; hoy izaho: Andriamanitro Hianao.
15 Eo an-tananao ny androko; Vonjeo aho tsy ho azon'ny tanan'ny fahavaloko sy izay manenjika ahy.
16 Ampamirapirato amin'ny mpanomponao ny tavanao; vonjeo amin'ny famindram-ponao aho.
17 Aoka tsy ho menatra aho, Jehovah ô, satria miantso Anao; fa aoka kosa ho menatra ny ratsy fanahy ka hangina any amin'ny fiainan-tsi-hita.
18 Aoka hangina ny molotra mandainga, izay miteny sahisahy hanohitra ny marina, amin'ny avonavona sy ny fanamavoana.