1 Nataon'i Davida. Jehovah ô, mamalia izay manana ady amiko; miadia amin'izay mamely ahy.
2 Raiso ny ampinga kely sy ny ampinga lehibe ka mitsangàna hamonjy ahy.
3 Ary raiso ny lefona, ka sakano izay manenjika ahy; lazao amin'ny fanahiko hoe: Famonjena anao Aho.
4 Aoka ho menatra sy ho afa-baraka izay mitady ny aiko; aoka hiamboho sy hangaihay izay misaina hanisy ratsy ahy.
5 Aoka ho tahaka ny akofa eo alohan'ny rivotra izy. Ary aoka ny Anjelin'i Jehovah handroaka azy.
6 Aoka ho maizina sy malama ny lalany, ary aoka ny Anjelin'i Jehovah hanenjika azy.