13 Ary ny amiko, raha narary izy ireo, dia lamba fisaonana no nitafiako; nampahory ny tenako tamin'ny ny fifadian-kanina aho; ary ny fivavako nody tao an-tratrako.
14 Toy ny nisy nanjo ny sakaizako na ny rahalahiko no nandehanako; nitanondrika tamin'alahelo toy ny fisaona reny aho.
15 Nefa nony ho lavo kosa aho, dia faly izy ireo ka niangona;olona faraidina no nitangorona hamely ahy, nefa tsy fantatro; namiravira izy ka tsy mba nitsahatra;
16 Naman'ny olon-dratsy manendrikendrika ho enti-mila sitraka izy ka nihidy vazana tamiko.
17 Ry Tompo ô, mandra-pahoviana no hijerenao ? Avereno ny fanahiko ho afaka amin'ny fandringanany, ny hany malalako ho afaka amin'ny liona tanora.
18 Hisaotra Anao eo amin'ny fiangonana lehibe aho; hidera Anao eo afovoan'ny olona maro aho.
19 Aoka tsy hifalian'izay mandrafy ahy foana aho; ary aoka tsy hami-maso izay mankahala ahy tsy ahoan-tsy ahoana.