16 Naman'ny olon-dratsy manendrikendrika ho enti-mila sitraka izy ka nihidy vazana tamiko.
17 Ry Tompo ô, mandra-pahoviana no hijerenao ? Avereno ny fanahiko ho afaka amin'ny fandringanany, ny hany malalako ho afaka amin'ny liona tanora.
18 Hisaotra Anao eo amin'ny fiangonana lehibe aho; hidera Anao eo afovoan'ny olona maro aho.
19 Aoka tsy hifalian'izay mandrafy ahy foana aho; ary aoka tsy hami-maso izay mankahala ahy tsy ahoan-tsy ahoana.
20 Fa tsy fihavanana no lazainy; fa mamorom-pitaka izy hamelezany izay mibonaika ambonin'ny tany.
21 Dia mitanatana vava amiko izy ka manao hoe: Hià! sakoa izay! efa hita'ny masonay.
22 Efa hitanao, Jehovah ô, ka aza manentsin-tadiny; ry Tompo ô, aza manalavitra ahy.