5 Indro efa nataonao vodivoam-pelatanana ny androko, ary ny fiainako toy ny tsinontsinona eo anatrehanao. Zava-poana ihany tokoa ny olon-drehetra, na dia matanjaka aza.
6 Aloka tokoa no fandehandehan'ny olona; zava-poana tokoa no itabatabàny; mihary harena izy nefa tsy fantany izay ho tompon'izany.
7 Ary ankehitriny, inona no andrasako Tompo ô? Hianao no antenaiko.
8 Manafaha ahy amin'ny fahadisoako rehetra; aza manao ahy ho fanakoran'ny adala.
9 Mangina aho ka tsy miloa-bava fa ianao no nanao izao.
10 Aoka hitsahatra ny fikapohanao ahy; reraka aho azon'ny famelin'ny tananao.
11 Anatra noho ny fahadisoany no ananaranao ny olona, ka manimba ny hatsaran-tarehiny tahaka ny kalalao ianao; zava-poana tokoa ny olona rehetra.