3 Kanefa aoka ho fantatrareo fa efa navahan'i Jehovah ho Azy ny tsara fanahy; Jehovah hihaino, raha miantso Azy aho.
4 Tezera, fa aza manota; mieritrereta eo am-pandrianareo, ka mangina.
5 Manatera fanati-pahamarinana,ary matokia an'i Jehovah.
6 Maro no niteny hoe: iza no haneho soa antsika? Asandrato aminay ny fahazavan'ny tavanao, Jehovah ô.
7 Efa nasianao fifaliana ny foko mihoatra noho ny tamin'ny taona nahabetsahan'ny variny sy ny ranom-boalobony.
8 Handry amin'ny fiadanana aho, ka dia hatory miaraka amin'izay, satria Hianao, Jehovah ô, no mampitoetra ahy mitokana irery tsy manana ahiahy.