1 Tonon-kira. Salamo nataon'ny Koraita. Lehibe Jehovah ka mendrika hoderaina indrindra, ao an-tanànan'Andriamanitsika, ao an-tendrombohiny masina.
2 Avo mahafinaritra, fifalian'ny tany rehetra, ny tendrombohitra Ziona, eo amin'ny ilany avaratra, tanànan'ny Mpanjaka lehibe.
3 Andriamanitra ao an-tranon'andriana ao dia nanao izay hahafantarana Azy ho fiarovana avo.
4 Fa he! niangona ny mpanjaka maro, niara-nandroso avokoa izy.
5 Nijery izy ka talanjona terỳ; Very hevitra izy ka nalaky nandositra;
6 Hovitra no nahazo azy teo, dia tahaka ny fanaintainan'ny vehivavy raha miteraka.