1 Ho an'ny mpiventy hira. Nataon'ny Koraita. Salamo. Mandrenesa izao, ry firenena rehetra; mihainoa, ry mponina rehetra amin'izao tontolo izao:
2 Na ny ambany, na ny ambony, na ny manan-karena, na ny malahelo.
3 Ny vavako hiteny fahendrena; ary ny fieritreretan'ny foko dia fahalalana.
4 Hanongilana ny sofiko hihaino oha-teny aho, ary hanonona teny saro-pantarina ampiarahiko amin-dokanga.
5 Nahoana no hatahotra amin'ny andro fahoriana aho, nony manodidina ahy ny haratsian'ny mpamingana ahy,
6 Dia izay matoky ny hareny, Sy mirehareha amin'ny haben'ny fananany?
7 Tsy misy mahavotra ny rahalahiny akory, na mahazo manome an'Andriamanitra izay avony,