1 Salamo nataon i Asafa. Andriamanitra Andriananahary, dia Jehovah, no miteny ka miantso ny tany hatramin'ny fiposahan'ny masoandro ka hatramin'ny filentehany.
2 Avy ao Ziona, izay tena fahatsaran-tarehy, no amirapiratan'Andriamanitra.
3 Avy Andriamanitsika ka tsy hangina; afo no mandevona eo alohany, ary tafio-drivotra mahery no manodidina Azy.
4 Miantso ny lanitra any ambony Izy, sy ny tany koa, mba hitsaràny ny olony:
5 Angony etỳ amiko ny oloko masina izay manao fanekena amiko amin'ny fanatitra.
6 Hasehon'ny lanitra ny fahamarinany; fa Andriamanitra no Mpitsara.
7 Mihainoa, ry oloko, fa hiteny Aho; Ry Isiraely ô, fa hanambara aminao Aho; Izaho no Andriamanitra, dia Andriamanitrao.