9 Amin'izay dia hiamboho ny fahavaloko amin'ny andro hiantsoako Anao; izao dia fantatro, fa momba ahy Andriamanitra.
10 Andriamanitra no iderako ny teniny; Jehovah no iderako ny teniny.
11 Andriamanitra no itokiako; ka tsy mba hatahotra aho; inona no hataon'ny olona amiko?
12 Nivoady taminao aho, Andriamanitra ô, dia hanatitra fanati-pisaorana ho Anao.
13 Fa efa nanafaka ny fanahiko tamin'ny fahafatesana Hianao; eny, nanafaka ny tongotro Hianao mba tsy ho solafaka. Handehanako eo anatrehan'Andriamanitra amin'ny fahazavan'ny velona.