1 Ho an'ny mpiventy hira. Hampiarahina amin'ny valiha. Nataon'i Davida. Henoy ny fitarainako, Andriamanitra ô; tandremo ny fivavako.
2 Any am-paran'ny tany no hiantsoako Anao raha reraka ny foko; ento aho ho any amin'ny vatolampy izay avo ka tsy tratro;
3 Fa aroko Hianao sy tilikambo mafy handosirako ny fahavalo.
4 Aoka hitoetra ao an-tranonao mandrakizay aho; aoka hialoka ao ambanin'ny fanomban'ny elatrao aho,
5 Fa Hianao, Andriamanitra ô efa nandre ny voadiko; efa nomenao ahy ny lovan'izay matahotra ny anaranao.