1 Ho an'ny mpiventy hira. Al-jedotona. Salamo nataon'i Davida. Andriamanitra tokoa no iantombenan'ny fanahiko; avy aminy ny famonjena ahy.
2 Izy tokoa no vatolampiko sy famonjena ahy, dia fiarovana avo ho ahy ka tsy hangozohozo loatra aho.
3 Mandra-pahoviana no hirohotanareo hamely olona sy handrodananareo rehetra azy toy ny manda mirona sy ny rova mihozongozona;
4 Misaina hanongana azy hiala amin'ny voninahiny ireny; lainga no ifaliany, misaotra amin'ny vavany izy, fa manozona amin'ny fony.
5 Miantombena amin'Andriamanitra tokoa ianao, ry fanahiko; fa Izy no antenaiko.
6 Izy tokoa no vatolampiko sy famonjena ahy, dia fiarovana avo ho ahy, ka tsy mba hangozohozo aho.