1 Salamo nataon'i Davida, fony tany an-efitr'i Joda izy. ANDRIAMANITRA ô, Andriamanitro Hianao; mitady Anao fatratra aho; mangetaheta Anao ny fanahiko, maniry Anao ny nofoko, eto amin'ny tany maina sy mangentana tsy misy rano;
2 Toy izany no nijereko Anao tao amin'ny fitoerana masina, hahitako ny herinao sy ny voninahitrao.
3 Fa tsara noho ny aina ny famindram-ponao; ny molotro hidera Anao.
4 Toy izany no hisaorako Anao, raha mbola velona koa aho; amin'ny anaranao no hanandratako ny tanako.
5 Toy ny voky tsoka sy tavy no hahavokisan'ny fanahiko; ary amin'ny molotra falifaly no hideran'ny vavako Anao.