3 Mihorohoro ny tany sy ny mponina rehetra eo aminy, nefa Izaho no nanorina ny andriny.
4 Hoy izaho tamin'ny mpirehareha: aza mirehareha, ary tamin'ny ratsy fanahy: aza manandra-tandroka;
5 Aza manandratra ny tandrokareo ho avo; ary aza miteny sahisahy amin'ny fahamafian-katoka.
6 Fa tsy avy any atsinanana, na avy any andrefana, na avy any atsimo, ny fisandratana.
7 Fa Andriamanitra no Mpitsara; mampietry ny anankiray Izy ary manandratra ny anankiray kosa.
8 Fa misy kapoaka eo an-tànan'i Jehovah, feno divay mandroatra miharoharo zavatra iny, ka ampisotroany; eny, ny ratsy fanahy rehetra amin'ny tany dia hitroka ny faikany.
9 Fa izaho hanambara izany mandrakizay, ka hankalaza an'Andriamanitr'i Jakoba.