1 Maskila nataon'i Asafa. Henoy ny lalàko, ry oloko; atongilano ny sofinareo amin'ny tenin'ny vavako.
2 Hiloa-bava hilaza fanoharana aho; hanonona teny saro-pantarina fony taloha aho.
3 Izay efa rentsika sy fantatsika,ary nambaran'ny razantsika tamintsika,
4 Dia tsy mba hafenintsika amin'ny zanany; fa hambarantsika amin'ny taranaka ho avy ny fiderana an'i Jehovah sy ny heriny ary ny fahagagana izay efa nataony.
5 Fa nanorina teni-vavolombelona teo amin'i Jakoba Izy, ary teo amin'Isiraely no nametrahany lalàna, izay nandidiany ny razantsika, hampahafantariny ny zanany;