1 Tonon-kira. Salamo nataon'ny Koraita. Ho an'ny mpiventy hira. Almahalath-leanoth. Maskila nataon'i Hemana Ezrahita. Jehovah ô, Andriamanitry ny famonjena ahy, Andro aman'alina no itarainako eo anatrehanao;
2 Aoka ny fivavako ho tonga eo anatrehanao; Atongilano amin'ny fitarainako ny sofinao;
3 Fa diboka ny fahoriana ny fanahiko; Ary ny aiko manakaiky ny fiainan-tsi-hita.
4 Natao ho isan'izay midina any an-davaka aho Ary efa tahaka izay tsy manan-kery;
5 Efa nafoy ho any amin'ny maty aho, Tahaka izay voavono, mandry ao am-pasana, Izay tsy tsarovanao intsony, Fa voafongotry ny tananao.
6 Efa nametraka ahy any an-davaka ambany indrindra Hianao, Ao amin'ny maizina, dia ao amin'ny lalina.