18 Fa an'i Jehovah ny ampinganay; Ary an'ny Iray Masin'ny Isiraely ny mpanjakanay.
19 Tamin'izany ny olonao masina dia nilazanao tamin'ny fahitana hoe: Nametraka famonjena tamin'izay mahery Aho Ary nanandratra ny anankiray voafidy tamin'ny olona.
20 Efa nahita an'i Davida mpanompoko Aho; Ny diloiloko masina no nanosorako azy;
21 Izy no homban'ny tanako; Eny, ny sandriko no hampahery azy.
22 Tsy hamitaka azy ny fahavalo; Ary tsy hampahory azy ny ratsy fanahy.
23 Fa handripaka ny fahavalony eo anoloan'ny tavany Aho Sady hamely izay mankahala azy.
24 Ny fahamarinako sy ny famindram-poko homba azy; Ary ny anarako no hisandratan'ny tandrony.