32 Dia hovaliako tsorakazo ny fahadisoany, Ary kapoka ny helony.
33 Nefa ny famindram-poko tsy hofoanako aminy, Ary ny fahamarinako tsy havadiko,
34 Ny fanekeko tsy hotsoahako, Ary ny nolazain'ny molotro tsy hovako.
35 Izao zavatra iray loha izao no nianianako tamin'ny fahamasinako, Tsy handainga amin'i Davida mihitsy Aho:
36 Ny taranany haharitra mandrakizay, Ary ny seza fiandrianany ho tahaka ny masoandro eo anatrehako;
37 Hampitoerina mandrakizay tahaka ny volana izy, Tahaka ny vavolombelona marina any an-danitra.
38 Fa efa narianao sy nolavinao izy; Efa tezitra tamin'ny voahosotrao Hianao.